"Fetinao androany, ho fahatsiarovana, hindramiko ny hira, ho any aminao" HO AHY SY HO ANAO Henoy izao hira izao Fa hira ho ahy sy ho anao Ka kaloy hamalifaly Izany saina fo sy fanahy Satria izany hira izany No afaka mandrava Ny elanelan-tany Koa hirao izao
show more...
hira izao Fa ho ahy sy ho anao. Ireo lalana nodiavintsika Dia nampahatsiaro zava-maro Ireo hira nohenointsika Nitamberina ,nifangaroharo Koa tsarovy isan'andro Fa aza avelanao hangina F'izany fahatsiarovana izany No ho ahy sy ho anao. N'inona hitranga N'inona hanjo Rehefa zaraina zaka avokoa Koa hirao ho ahy Izao hira izao Fa ho kaloiko koa ho anao Hiram-pitia Ho anao sy ho ahy Mandrakizay. Raha sendra mifamahofaho Izany alahelo an-tsaina Fa saraka lavitry ny tany O! ry tiana sy lalaina Dia banjinoko avy hatrany Iny lalana iny Dia ho hitanao ireo fo Fo mifankatia iray ho doria. Koa hiriako izao mba sitrakao Hiara-hihira izao hira izao hoe:Tiako ianao Eny tena tiako Akaikinao Izay no fifaliako Ho feo iray ny anao sy ny ahy Mandrakizay Hoe tiako ianao, eny tiako ianao Akaikinao, izay no fifaliako ho feo iray ny anao sy ny ahy Mandrakizay. (Duo mixer Unik & Lalao RABESON)
Author: razfin
Tags: fahatsiarovana fety taona razfin amiunik duo lalao rabeson
Posted: 29 November 2008
Rating: 5.0
Votes: 1
show less...